Ny vahaolana dia ny fampiasana fahandrahoantsakafo azo antoka sy maharitra kokoa noho ireo fatana nentim-paharazana.

Amin’ny ankapobeny, olona maherin’ny roa lavitrisa no miankina amin’ny fatana manetroka sy tsy azo antoka mba andrahoana sakafo, izay manimba ny fahasalamana, ny toetrandro ary ny tontolo iainana (1). 40% amin’ireo olona ireo dia mipetraka aty amin’ny faritra Atsimon’ny Sahara aty Afrika (2). Ny ankamaroan’ny fotoana dia ny zaza amam-behivavy no mandany fotoana betsaka kokoa amin’ny fitsiponana kitay sy ny fahandrahoana sakafo ary izy ireo ihany koa no matetika iharan’ny loza ateraky ny afo noho ny fampiasana fatana tsy azo antoka.

Tanjona fampandrosoana maharitra

Ny fandaharam-potoana hoan’ny fampandrosoana maharitra hoan’ny taona 2030, natsangan’ireo mpikamban’ny Firenena Mikambanatamin’ny taona 2015 izay manome rafitra iraisana ho an’ny fandriampahalemana sy ny fampandrosoana ho an’ny olona sy ny planeta, ankehitriny sy amin’ny hoavy. Ao anatin’izany ny Tanjona 17 ho an’ny Fampandrosoana Maharitra (SDGs), izay ilaina hetsika maika avy amin’ny firenena rehetra – mandroso sy mivoatra – amin’ny fiaraha-miasa manerantany. TSapan’izy ireo fa ny fampitsaharana ny fahantrana sy ny tsy fahampiana hafa dia tsy maintsy miara-miasa amin’ny paikady izay manatsara ny fahasalamana sy ny fanabeazana, mampihena ny tsy fitoviana, ary mandrisika ny firoboroboana ara-toekarena – izany rehetra izany dia sady miady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro no sady miasa mba hiarovana ny ranomasimbe sy ny alantsika.

1. Fikambanana Iraisam-pirenena misahana ny Fahasalamana (WHO): Fahalotoan’ny rivotra ao an-tokantrano. 2022. 

2. Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana (UNDP): Angovo azo havaozina maharitra. 2023.

mg_MGMalagasy