
Ny ankamaroan’ny fotoana, ny vehivavy sy ny ankizivavy no tena tompon’andraikitra amin’ny fandrahoan – tsakafo isan’andro. Ny fandrahoan – tsakafo madio dia manamaivana amin’ny olana ara-pahasalamana sy ny enta-mavesatra ara-toekarena izay misy fiantraikany amin’ny lanjan’ny vehivavy.
Isan’andro, vehivavy sy ankizivavy an-tapitrisany manerana izao tontolo izao no miaina anaty setroka rehefa mahandro sakafo sy mandany ora maro andehanana lavitra mba hahazoana kitay. Ny fianteherana amin’ny fandrahoan-tsakafo mandoto, ny afo tsy voafehy ary ny kitay izay tsy maharitra dia misy fiantraikany amin’ny fahasalamana toy ny ”emphysema”, katarakta, homamiadana ary aretim-po, ary koa fiantraikany ara-toekarena toy ny tsy fahafahana mahazo fanabeazana feno nohon’ny halavan’ny fotoana lany amin’ny fitsimponana kitay.
Asa mafy sy mampidi – doza
Isan’andro, mandeha an-tongotra aman’orany maro ny ankizy amam-behivavy mba ahazoana kitay, mandritr’izany fotoana izany dia mety hisy ihany koa ny loza ahazo azy ireo. Hatramin’ny 10 ora isan-kerinandro no fotoana lanin’ny vehivavy sy ny ankizy any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana amin’ny fanangonana kitay. Raha mampiasa fatana ethanol kosa anefa dia bebe kokoa ny fotoana holaniana amin’ny fanabeazana, ny ankizy na ny asa.
42% amin’ny tokantrano no nahitana tranganà herisetra tamin’ny zaza amam-behivavy nandritra ny fanangonana kitay tao Tchad tao anatin’ny enim-bolana.


Vehivavy manan-danja
Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampitomboana ny fanentanana sy ny fangatahana fahandroan – tsakafo madio ny vehivavy, amin’ny ampahany dia vokatry ny fifandraisan’izy ireo amin’ny fiaraha-monina izany. Manome làlana vaovao ho an’ny fanomezan-danja ara-toekaren’ny vehivavy ihany koa ny fahandroan – tsakafo madio, manome fahafahana ho an’ireo vehivavy mpandraharaha mba handray anjara amin’ny firoboroboan’ny indostria manerantany amin’ny fahandroan-tsakafo madio.
Nahalafo fatana avo telo heny noho ireo lehilahy niara-niofana taminy ireo vehivavy mpandraharaha taorian’ny fiofanana ho an’ny vehivavy sy ny lehilahy.

