Tena ilaina ny mampiasa fandrahoan-tsakafo madio mba hiadiana amin’ny fiovan’ny toetr’andro eran-tany sy hampihena ny fandripahana ala sy ny fahasimban’ny tontolo iainana.
Ny famokarana entona maneran-tany
Ny fandrahoana sakafo amin’ny fatana mandoto dia mamoaka ny ampahefatry ny entona karbaonina mainty maneran-tany, izay mpandray anjara faharoa lehibe indrindra amin’ny fiovan’ny toetr’andro aorian’ny gazy karbonika. Ny fatana azo antoka sy manara-penitra dia afaka mampihena ny fampiasana solika 30-60% no mampihena ny entona manimba ny toetrandro.
Isan-taona dia gazy karbonika 1 gigaton no voavokatra nohon’ny fandoroana kitay, izany hoe 2% ny gazy karbonika maneran-tany.
Ny karbaonina mainty dia singa lehibe mahatonga ny fiovan’ny toetr’andro. Avo 460-1.500 mahery kokoa noho ny gazy karbonika ny fiovana entin’ny karbaonina mainty eo amin’ny fiovan’ny toetr’andro.
Biodiversity
Hatramin’ ny 34%-n’ny solika azo avy amin’ny hazo dia tsy maharitra, izay mahatonga ny fahasimban’ny ala sy ny fiovaovan’ny toetr’andro. Hazo 10 kilao eo ho eo no ampiasaina hanaovana saribao iray kilao, ka mahatonga ny ala ho ringana.


