Manatsara ny fahasalamana ny fahandrahoantsakafo madio

Ny fahalotoan’ny rivotra dia loza mitatao ho an’ny tontolo iainana maneran-tany. Ny fatana tsy ara-pahasalamana dia miteraka loto ao an-tokantrano izay mahatonga ny fianakaviana ho tandindomin-doza amin’ny aretina ka mety iafara amin’ny fahafatesana mihitsy aza izany. Ankizy maro ihany koa no may vokatry ny afo ateraky ny fampiasana fatana tsy azo antoka.

Olona 4 tapitrisa no maty isan-taona vokatry ny aretina ateraky ny setroka nohon’ny fampiasana fatana tsy ara-pahasalamana.

Reny, zazakely ary ankizy

Ny fampiasana fandrahoan-tsakafo madio dia mampidina ny tosidran’ny vehivavy bevohoka ary mampitombo ny lanjan’ny zaza teraka. Maneran-tany, mahatratra 3.2 tapitrisa ny olona maty aloha loatra isan-taona noho ny aretina ateraky ny fahalotoan’ny rivotra ao an-tokantrano. Ny fampiasana fandrahoan-tsakafo madio dia afaka mampihena ny aretina sy ny faharetan’ny aretin’ny taovam-pisefoana amin’ny ankizy.

mg_MGMalagasy