NY ANDRAIKITRAY

Nosy Maitso- Nosy rakotr’ala

Mba hampihena ny fampiasana saribao dia mivarotra fatana maoderina mandeha amin’ny solika madio izahay, izany dia manome fahafahana hoan’ny tokantrano iray mba isitraka fahandroantsakafo madio. Izany ihany koa dia manova fiainana maro. Ny fatana izay amidy dia ara-pahasalamana, miaro ny toetr’andro sy ny tontolo iainana, manampy ny vehivavy sy ireo mpampiasa fatana amin’ny fitsitsiana fotoana sy vola.

Efa maherin’ny 20.000 isa izao ny tokantrano mampiasa ireo fatana madio amidinay. Mitombo isan’andro ny isan’ireo mpampiasa ny fatana. Ny fatana izay amidinay dia tafiditra anatin’ny programa ”crédit carbone” an’ny Green Development eto Madagasikara, nazahoana alalana avy amin’ny Banky iraisam-pirenena sy Gold Standard Foundation. Vinavinaina ho mihoatry ny 100.000 ny isan’ireo mpampiasa ny fatana any amin’ny taona 2030 any.

Ny Bioéthanol- angovo nohavaozina izay manena ny famokarana Gazy karbonika CO2, manena ny loto ao an-trano na ivelany, miaro amin’ny fandripahana ny ala sy ny fahapotehan’ny tontolo iainana- no solika ampiasaina amin’ny fatana vokarinay. Maherin’ny 30 isa ireo kioska, anatin’izany ireo mpanjinjara sy ireo kioska Nosy Maitso hita amin’ny faritra telo eto Madagasikara, izay manaparitaka ny solika fandrehitra Bioéthanol ampiasain’ireo mpampiasa fatana. 


mg_MGMalagasy